Events

Hafaliana ny manasa antsika rehetra hankalaza ny faha-59 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’ny Madagasikara
Fotoana: Asabotsy 29 Jona 2019
Toerana: Hohenzollerndamm 130a, 14199 Berlin (Fidirana: Forckenbeckstraße)
Evangelische Kreuzkirche – Gemeindesaal
Toy izao ny fandaharam-potoana izay hiara-hantsika rehetra manantotosa:
2 Ora:        Fiarahana mitafatafa:  “Grillparty” sy kilalao samy hafa
5 Ora:         Fiaraha-midinika an’ireto teboka manaraka ireto:
  • Fanintarana ny Fikambanana MSD ho an’ny rehetra eto Alemaina
  • Fananganana komity hiandraikitra ny Fahatsiarovana ny 29 Mars 1947.
  • Fananganana komity hikarakara ny fety Faha-60 taonan’ny Fahaleovan-tena.
7 Ora 30: Fanombohan’ny lanonana
  • Hiram-pirenana
  • Teny fiarahabana avy amin’ny Filohan’ny MSD e.V.
  • Teny fiarahabana avy amin’ny Masoivohon’ny Madagasikara eto Alemaina

8 Ora 30: Fiaraha-misakafo izay arahin’ny rindran-kira.

10 Ora:       Alim-pandihizana mandra-maraina

Fandraisana anjara:
  • Sakafo sy zava-pitsotro samy mitondra ny tsirairay ary hatambatra hiaraha-mihinana.
  • Rakitra no tatazana handoavana ny lany rehetra
Dia manantena indrindra ny fahatongavan-tsika rehetra ary ilazao ny tapaka sy ny namana.